<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.F. Wade</author>
<hymn_number>67</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia ry mino !
 Hifaly sy hihoby,
 Avia, avia hankany
 Betlehema :
 Teraka Jeso,
 Tompon'ny anjely ;
 Avia hitsaoka Azy (in-3)
 Izay Tomponao !

[V2]
 Tompon'ny tompo,
 Andriananahary,
 Nefa mba zana-behivavy koa ;
 Zanak'i Maria,
 Nefa Zanahary ;
 Avia hitsaoka Azy (in-3)
 Izay Tomponao !

[V3]
 Derao, ry anjely,
 Mihobia mafy,
 Ry mponina an-danitra ao
 Ambony ao !
 Dera sy laza
 Atolory Azy ;
 Avia hitsaoka Azy (in-3)
 Izay Tomponao !

[V4]
 He, arahaba,
 Tonga aty an-tany
 Ny Tompo, Mpamonjy sy
 Mpanjaka koa,
 Tenin'ny Rainy
 Voatafy nofo,
 Avia hitsaoka Azy (in-3)
 Izay Tomponao !</lyrics>
<title>Avia, ry mino! FFPM67</title>
</song>